<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>106</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Indro, ny Fitiavana nijaly
 Teo amin'ny hazo-fijaliana ;
 Ary ny ratsy nivonona hifaly,
 Handresy ny Zanaka-lahy
 Tokana.

[V2]
 Indro, ny Fitiavana mahery,
 Nitondra ny heloky ny olony ;
 Izy niady hanafaka ny very,
 Ny ainy no avotra ka natolony.

[V3]
 Izy nijaly mafy tao Golgota,
 Voahombo ny tongotra
 aman-tanany ;
 Izy nisolo antsika izay
 mpanota
 Ka fadiranovana ny fanahiny.

[V4]
 O, ry Mpamonjy, mba hazony
 aho
 Hijery ny hazo-fijaliana !
 Olona meloka aho ka afaho,
 Hialoka amin'ny fitiavanao !</lyrics>
<title>Indro ny fitiavana nijaly FFPM106</title>
<author>P. Nilsen-Lund</author>
</song>